Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Is’Art: hampahafantatra an-dry Rapo Atlas

Misy ireo mpanakanto efa tsy zovina intsony ho an’ny mpankafy ny kaonseritra sy fampisehoana an-tsehatra, tontosain’ny Is’Art galerie. Ao koa anefa ireo tokony hofantarina sy heverina fa hahaliana. Anisan’ireny ny hiaka-tsehatra ao amin’ity foibe, mikolo ny kanto ankehitriny, ity, ny zoma hariva izao.

Rapo Atlas ny anaran’ny tarika, mivoy ny “beko grouve fusion”. Araka izany, eo amin’ny lafiny mozika, tanora milona ao anatin’ny fikarohana hamoahana zavatra miavaka ny mandrafitra ny tarika. Toy izany koa ny hafatra entin’izy ireo, ao anatin’ny tononkira, manana fototra sy tanjona mazava.

Asongadin’ny Rapo Atlas ny antso ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanajana ny maha olombelona. Mibahan-toerana ao anatin’ny tononkiran’izy dimy mirahalahy ihany koa ny tontolon’ny fitiavana: eo amin’ny samy olombelona, ny mpiray tanindrazana, sns, ho fampandrosoana. Fanindroany no hiaka-tsehatra eto an-dRenivohitra ny Rapo Atlas, hatramin’ny niandohan’ity taona ity.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique