Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Gala International multiboxe »: hifampitana ny Reonioney sy ny malagasy

«Gala International multiboxe »: hifampitana ny Reonioney sy ny malagasy

Tapaka fa hotontosaina, ny asabotsy 23 febroary ho avy izao, ilay «Gala international multiboxe », karakarain’ny komisiona ny “boxe chinoise”. Fifaninanana hotanterahina eto Madagasikara, nanasana indrindra ny mpikatroka avy any La Réunion. Sambany hisy ity katrok’ady eo amin’ny Malagasy sy ny Reonioney ity, natao izao noho ny fangatahan’ity farany, raha ny nambaran’ny mpanofana sady teknisianina eo anivon’ny komisiona ny « boxe chinoise », Randrianasolo Joseph. Teo ihany koa ny fahafantaran’ireto vahiny ireto fa manana atleta tsara sy mahafehy ity taranja ity isika. Mahakasika izay indrindra, hisy ny fampidirana ady vaovao, raha ny “boxe chinoise” ranoiray fotsiny ny nokasaina hatao tany am-boalohany. Mikasa ny hampitombo traikefa amin’ny alalan’ny lalao iraisam-pirenena miisa valo, farafahakeliny, izy ireo, mialoha ny hanatanterahana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Marihina fa lesoka tsy ampy amintsika Malagasy ny tsy fahampian’izany fihaonana amin’ny any ivelany izany hatrany. Etsy ankilany anefa, manana atleta tsara ihany koa ry zareo Reonioney, saika mandranto lalao iraisam-pirenena any Eoropa sy any ivelany rehetra any. Manoloana izany, tsy ny vokatra loatra aloha no tena takina amin’ity andiany voalohany ity, hoy hatrany ny maitre Randrianasolo Joseph fa ny fakana traikefa. Na eo aza izany, tsy maintsy mitady vokatra tsara kosa amin’izay rehefa amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina.

Nanome toky ireo mpikambana anatin’ity komisiona ity fa hanome vokatra tsara hatrany satria, hoy izy ireo, tena manana atleta tsara isika. Nanao fanamby kosa andriamatoa Ratsimbazafy Tantely, filohan’ny komisiona, fa hametraka kalitao eo anivon’ity taranja ity, mikasa ny hanangana federasiona atsy ho atsy.

Efa fantatra ny fandaharan-dalao amin’ity « Gala international » ity ary toy izao ireo mpikatroka hifanandrina:  Sarobidy # Angela; Simone # Aina; Masy # Tiana; Aina # Laza; Olivier # Tadjidine; Rene # Tonny; Marc # Ando.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique