Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Naneho ny heviny ny antoko DHD, tarihin-dRaharinaivo Rasamoelina, ka nilaza fa mihatery ny demokrasia eto amintsika. « Eo am-pelatanan’ny filoham-pirenena ny fahefana iray manontolo eto amin’ny firenena ankehitriny fa tsy ny nomen’ireo depiote azy farany teo fotsiny. Miainga amina toromarika avy amin’ny olon-tokana ny fanapahan-kevitra rehetra”, hoy izy. Nambarany koa fa miainga amin’ny taloha ihany ny PGE nambaran’ny praiminisitra. “Tsy mety izany ary tsy mifanaraka amin’ny mety hametrahana fitondrana azo antoka. Tokony hazava tsara ny paikady sy ny loharanom-bola hanatanterahana ny tetikasa rehetra. Mila manova famindra izao fitondrana izao », hoy izy.

Mazoto amin’ny fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana ny fokontany Ampitatafika Vaovao. « Marisika mijery ny anarany ao anatin`ny lisi-pifidianana ny olona », hoy ny sefom-pokontany, Razafimahazo Harisoa Fara. Efa hita ho maro ny olona tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nisy ny fanentanana hidirana ao anaty lisi-pifidianana nataon’izy ireo teny anivon’ny fokontany. « Manatera dika mitovy amin’ny kara-panondrom-pirenena sy karnem-pokotany hanamarinana fa tena mponina eny Ampitatafika”, hoy ihany izy.

 

Les commentaires sont fermées.