Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihana teny Mahitsy: nalana tamin’ny asany ny lehiben’ny zandary

Fanafihana teny Mahitsy: nalana tamin’ny asany ny lehiben’ny zandary

Taorian’ny fanafihana nahafatesana olona teny Mahitsy? ny faran’ny herinandro teo, voalaza fa nesorina tamin’ny toerany ny lehiben’ny zandary ao Mahitsy, araka ny baiko nomen’ny Seg, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Raha ny fanazavana, betsaka ny fitarainana voaray momba ny zandary ao Mahitsy ary nandritra ny fanafihana farany namoizana ain’olona teo, nitaraina ireo mponina fa tsy nandray finday mihitsy io lehiben’ny zandary io. Mbola minitra maro taorian’ny nahalasan’ireo olon-dratsy ihany koa vao tonga ireo zandary kanefa tsy mifanalavitra ny toby sy ilay toerana voatafika. « Mila olona vonona hiasa ny zandarimaria », hoy ny Seg nanamafy.

Fanapahan-kevitra nahafaly ny olona ihany ity nataon’ny Seg ity satria ny toy izany no andrasana amin’izay tompon’andraikitra tsy nahavita ny asany. Raha maromaro ny tratran’izany ireo manao ny asany antsirambina, mety handroso haingana ny firenena. Nahitam-bokany avy hatrany koa ilay tranonkala fametrahana fitarainana napetraky ny zandary vao haingana. Anisan’izany ity fanapahan-kevitra ity, taorian’ny fitarainana voaray.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.