Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambalavao Tsienimparihy: teratany espainola maty nianjera avy eny ambony vato

 Maty tsy tra-drano nianjera avy eny ambony harambato tao amin’ny valan-javaboahary Anjà, ao Ambalavao Tsienimparihy, ny herinandro teo, ny mpizahatany teratany espainola iray 70 taona. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny kaomisarian’Ambalavao, efa nilaza ireo mpitari-dia ireo mpizahatany fa tokony hotantanana ilay Espainola mpizahatany sy ny vadiny rehefa miakatra amin’ilay harambato. Tsy nanaiky anefa ilay niharam-boina fa ny vadiny ihany no nasainy nitantana azy, kinanjo nianjera izy ka ny lohany no notantazin’ny vato ka namoy ny ainy izy. Fantatra fa isan’ny toerana mahasarika mpizahatany maro ity valan-javaboahary ity. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ihany ny fiarovana akaiky ireny teratany vahiny tonga mitsidika ireny toerana manan-tantara eto amintsika ireny.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.