Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny herisetra: hitarina amin’ny sekoly ao Menabe ny tetikasa Sahala 

Ady amin’ny herisetra: hitarina amin’ny sekoly ao Menabe ny tetikasa Sahala 

Hitarina amin’ny kaominina efatra ao anatin’ny faritra Menabe ny tetikasa Sahala, iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny ONG C-For-C ho an’ny dimy taona manaraka.

150 ny isan’ny EPP sy CEG miankina amin’ny fanjakana iantefan’ny fanentanana momba ny fampandraisana andraikitra ny lehilahy anatin’ny ady amin’ny herisetra ao an-tokantrano. Nanomboka ny taona 2016 ny fiaraha-miasa, 40 ny EPP niasana eto amin’ny faritra Analamanga, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny ONG C-For-C, i Nantenaina Sriaka, omaly teny Anosy. Ampianarina ny mpianatra, indrindra ny ankizilahy eny amin’ny EPP, ny handray andraikitra mifanandrify aminy ao an-tokantrano (ohatra amin’ny fanaovana ny raharaha madinidinika) satria fahazarana hoentiny any amin’ny tokantranony any aoriana izany. Atoro azy ireny koa fa manana adidy sy andraikitra amin’ny zanany ny lehilahy ao anatin’ny tokantrano fa tsy raharahan’ny vehivavy ireny ny fitaizana ny ankohonana. Manana hevitra raiki-tampisaka ny ankamaroan’ny ankizilahy fa mora ahitsy amin’ny alalan’ny kilalao itondrana hafatra. Kilalao avokoa ny itondrana ny fanentanana sy ny fampianarana momba ny ady amin’ny herisetra ao an-tokantrano. Omena boky koa ny mpampianatra hanohizana ny fanentanana. Isan-kerinandro ny fampitan-kafatra any an-dakilasy iarahana amin’ny tomponandraikitry Ofisim-pirenena misahana ny fanabeazam-bahoaka sy ny fahaiza-miaina (OMC). Faritra faharoa manana taha ambony amin’ny herisetra ao an-tokantrano ny ao Menabe, ny any atsimo ary ny eto Analamanga. Aty an-dakilasy ny famolavolana sahady ny ankizilahy handray andraikitra momba ny ady amin’ny herisetra azo an-tokantrano. Natao omaly ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny ONG C-For-C.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.