Nitrangana vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny fokontany Bealampona, kaominina ambahivohitr’Ambatoafo, distrikan’i Sambava, ny herinandro teo. Raim-pianakaviana iray no nahavita namono nahafaty ny vadiny noho ny olana ara-panambadiana. Novonoin’ilay nahavanon-doza tamin’ny antsibe ny vadiny. Tezitra noho izany fihetsika nataon’ilay raim-pianakaviana izany ny zanany ka novonoiny ho faty koa ity rainy nahavanon-doza ity. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana ka lasa nandositra ilay zanany taorian’izay. Nidina nanao fanadihadiana tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Amboangibe.