Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nizara mari-boninahitra: nankasitraka ireo mpiasa ny Star

Nizara mari-boninahitra: nankasitraka ireo mpiasa ny Star

Toy ny fanao isaky ny roa taona, mankasitraka ireo mpiasa ao aminy ny Star. Nisy, araka izany, ny fizarana mari-boninahitra sy medaly ho an’ireo mpiasa izay natao tany Antsiranana, Antsirabe ary teto Antananarivo. Mpiasa miisa 268 no nozaraina ny mari-boninahitra anatin’ny sokajy “médailles de travail”, “Ordre National Malagasy” ary “Ordre de Mérite”. 116 amin’ireo nahazo ny medaly alimo ary 86 kosa medaly volafotsy. 13 nahazo ny « Chevalier de l’Ordre de Mérite », 47 nahazo ny « Chevalier de l’Ordre National », 5 nomena ny « Officer de l’Ordre National » ary iray kosa nahazo ny « Officier de Mérite ». Tonga nanotrona ireo mpiasa ireo ny olom-panjakana sy ny komity mpitantana ao amin’ny Star ary ny fianakavian’ny tsirairay.
Ankoatra ny fizarana ny mari-boninahitra, fotoana iray fifampizarana koa izany ho an’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Star. Tsy nasiana fanavahana, na teo amin’ny sokajin’asa na ny toerana hiasana rahateo ny fanomezana ireo mari-boninahitra ireo.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.