Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Fanabeazana: vita ny efitrano sekoly 58

Notokanan’ny minisitra Volahaingo Marie Thérese, ny asabotsy teo ireo fotodrafitrasa ho an’ny fampianarana any Fenoarivo Atsinanana. Ahitana efitrano miisa 58 izany ary sekoly vaovao 13 ankoatra ireo efritrano 92 hafa, efa vita, saingy tsy voatokana tamin’io fotoana  io. Misy EPP sy CEG miaraka amin’ny lycée sy ny Foibe fanofanana ho an’ny vehivavy izany fotodrafitrasa izany. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fid avokoa ireto sekoly manara-penitra ireto. “Efa misy ny lamina napetraka ka hojerena ny laharam-pahamehana amin’ny fanorenana sekoly sy ny fampitaovana izany… Homena tombony sy hatao laharam-pahamehana ny amin’ireo toerana lavitra amin’ny fotodrafitrasa… Mazava ny politikan’ny fanjakana : Fanabeazana ho an’ny rehetra miaraka amin’ny kalitao. Fiovana ho amin’ny tsaratsara kokoa hitondra fampandrosoana izany ary hiakaran’ny lentan’ny fampianarana”, hoy izy tamin’ny lahateny fanokafana ny taom-pianarana ho an’ny  faritra Analanjirofo. Nampanantena koa ny tenany fa homena dabilio ireo sekoly tsy manana na koa tsy ampy izany.

Fitaovana avy amin’ny Unicef…

Ankoatra izany, nitondra voan-dalana koa ny minisitra ka nanolotra fitaovana  sy kojakoja fampianarana ireo mpianatra eny anivon’ny “préscolaire” tamin’izao fitsidihany ny tany an-toerana izao. Niantoka izany ny avy  amin’ny Unicef. Teo koa ny nanomezany vola roa tapitrisa  ariary ho an’ny fianakaviamben’ny  fampianarana ary iray tapitrisa ariary kosa ho an’ny fikambanam-behivavy 8 marsa ao Ampasinamaningory.

Synèse R.                                    

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique