Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano – Analamanga: nanao pao-droa Andriampenomanana Mathieu

Tontosa ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny dobo filomanosana « Lomano Center » Avarabohitra Itaosy, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja lomano. Mpilomano miisa 150 no tonga nifaninanana nandritra izany, ka nahitana lalao famaranana 18 tamin’ny sokajin-dalao sy karazan-domano maro. Klioba nisongadina ny Managing satria medaly volamena miisa 8 sy volafotsy 4 ary alimo 5 no teo am-pelantanany. Anisan’ny mpilomano nisongadina avy amin’ity klioba ity Andriampenomanana Mathieu izay nahazo fandresena 2 teo amin’ny “nage libre”, 100 metatra, sy “papillon”, 50 metatra. Vitany tao anatin’ny fe-potoana tsara dia tsara 1:10:20 ny “nage libre” ary 34:22 kosa no nanaovany ny “papillon”. Ankoatra izay, mbola nahazo medaly volamena 2 ihany ity klioba ity, teo amin’ny sokajy “relais”. Klioba nisongadina manaraka ny mpilomano avy amin’ny Saint Michel izay nahazo medaly miisa 16.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.