Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lisi-pifidianana: nidina ifotony ny Ceni

Mamarana ny fanentanana ny olona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny Ceni. Niara-nientana ny eo anivon’ny Ceni foibe sy ireo mpiara-miasa aminy teto an-dRenivohitra sy  amin’ireo kaominina manodidina, omaly. Ao anatin’ny fitetezam-paritra koa amin’izao fotoana izao, miara-mientana amin’ireo mpiasan’ny Ceni any ifotony ary manamafy ny fanentanana ny olom-pirenena amin’izao ankatoky ny famaranana ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana izao, ireo birao foibe eo anivon’ny Ceni. Mihatra avy hatrany amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey 2019 izao ny fanavaozana ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao. Hifarana ny 15 febroary izao izany fe-potoana ahafahan’ny olom-pirenena hisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana.Takina ahazoana misoratra anarana eny amin’ny fokontany  ny kara-panondrom-pirenena.

Tsiahivina fa hatontan’ny Ceni izany lisi-pifidianana izany aorian’io daty  io. Haverina eny anivon’ny fokontany indray avy eo hohamarinina, entina hiatrehana ny fifidianana rehetra hatao amin’ity taona ity izany, avy eo.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.