Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Ligin’ Atsinanana: tsy afa-bela nanoloana ny Tia kitra ny Fce

Nomontsanin’ny Tia Kitra tamin’ny isa 3 no ho 0, ny faran’ny herinandro teo, ry zareo Fce, nandritra ny lalao manasa-dalana mandroso, amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’Atsinanana, taranja baolina kitra. Nosokafan’ny Tia Kitra ny isa 2 voalohany, nandritra ny ampaham-potoana voalohany ary mbola nahatafiditra baolina fanintelony ihany taty amin’ny fizaram-potoana faharoa ka nahatonga ny isa ho 3 no ho 0. Tsy afa-bela, araka izany ry Levandana, mbola ady goavana ihany koa no miandry ity ekipa ity eo amin’ny lalao manasa-dalana miverina, tanterahina amin’ny asabotsy 16 febroary. Nanambara mantsy ny Fce fa  mbola manantena ny handrombaka tapakila hiakarany amin’ny lalao famaranana. Teo amin’ny lalao manasa-dalana ilany, niondrika, tamin’ny isa 2 no ho 0 nanoloana ny Fifafifi fc ny Piment vert, niady ny lalao, saingy nanatombo tamin’ny baolina ry zareo Fifafifi Fc, amin’ny alahady ho avy izao no hanatanterahana ny lalao famerenana eo amin’ny roa tonta, andrasana izay ho tafavoaka amin’izany.

Afaka nilalaovana tsara ny « stadium » satria tanatin’ny andro tsara avokoa no nizoran’ireto lalao manasa-dalana roa ireto, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fantatra, mety handray lalao amin’ny fihodinana voalohany ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity ligin’Atsinanana ity, manoloana izany, nisy ny komity kely natsangana hikarakara sy hijery ny fomba hanamboarana sy handrakofana ireo faritra banga, ankoatra izay, hamboarina avokoa ny « vestiaire » ho an’ny mpilalao ny an’ny mpitsara, ireo « robinet » rehetra eny an-toerana dia hatsaraina avokoa, rehefa vita dia alefa any amin’ny « comitè de normalisation » ny tatitra, izy ireo avy eo no manapaka raha mahafeno na tsia ny fepetra ny ligin’atsinanana ny amin’ny hahafahany mandray lalao nasionaly. Ilay mpilalaon’ny Fce fahiny, Keita moa no mitarika ity comité ity.

 

Mi.Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique