Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Dera ho an’ny vahoaka malagasy

Noraisin’ny filoham-pirenena maro tonga nanatrika ny Fivoriana Tampony faha-32’ny Fikambanambe Afrikanina tamina fiarahabana an-karavona sy feno fanajana araky ny mendrika azy ny Filoha malagasy Andry Rajoelina nohon’ny fandraisana anjara voalohany amin’ny Fivoriana Tampony tao aorianan’ny fifidianan’ny vahoaka malagasy azy ho filohan’ny firenena. Tsy maha vahiny an’i Andry Rajoelina ny fivoriana toy izao, efa nisy no natrehany fony izy Filohan’ny Tetezamita, na izany aza niova ny fipetraky ny toe-draharaha, Filoha voafidim-bahoaka ny tenany ankehitriny, ary nitarika resaka manokana ny fifidianana nandany azy, resy lahatra avokoa ny rehetra, natao fitaratra alaina tahaka ny fifidianana izay tsy nitrangana korontana teo am-panatanterahana azy ary tsy nisehona fanoherana ny fanambarana ny vokatra. Nanoloran’ny rehetra voninahitra sy fehim-boninkazo i Madagasikara, ary samy nidera ny vahoaka malagasy nohon’ ny fehendrena nasehony. Voafafa hatreo ny fanilikilihana sy fanesoesona tany aloha, raha jerena amin’ny maso tsy miangatra aza dia ilay vahoaka natositosika natao ho gisitra no mitana ny loha-laharana eo amin’ny fanajana ny lalàna fitandrovana ny demokrasy. Maro amin’izao fotoana izao ireo firenena na eto amin’ny kontinanta afrikana na any an-kafa toy ny any Asia na ny any Amerika atsimo no avy niatrika na eo am-panomana fifidianana, etsy sy eroa na mialoha na mandritra na ao aoriana dia tsy ilaozan’ny fitrangana fifandonana sy korontana izay tonga amin’ny fandatsahan-dra sy fifamonona mitarika hatrany amin’ na fahafatesana.

Dingana lehibe ny vita izany, afaka ireharehana toy ny fandresena eo amin’ny sehatra fifandraisana amin’ny any ivelany. Efa nisy fandresena iray andro vitsy teo aloha nanokatra ny làlana. Nandresy lahatra ny tompon’adidy sy fahefana mitovy laharana sy sata aminy ny Minitry ny Raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina teo amin’ny fifaninanana ho an’ny fametrahana solontenam-pirenena iray ao amin’ny Komity Mpandinika ao anatin’ny Fikambanambe Afrikana ny ady amin’ny kolikoly, namaly ny filatsahany ny solontenan’ny Kenya rehefa nanolotra ny firotsahan’andriamtoa Jean-Louis Andriamifidy lehiben’ny Bianco ny Malagasy. Antenaina ho santatra ambavarano mitondra fampaherezana izany rehetra izany, mbola lavitra tokoa moa ny ezaka eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, eo ny fikarohana tsena ahafahana anondranana ny vokatra avy eto an-toerana, eo koa ny fandresen-dahatra ny mpandraharaha mpanam-bola avy any ivelany izay asaina amina fananganana orin’ asa eto amin’ny nosy.

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique