Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihaonana amin’ny Bad – Addis-Abeba: nitaky ny hanafainganana ny tohana ara-bola ny filoha

Fihaonana amin’ny Bad – Addis-Abeba: nitaky ny hanafainganana ny tohana ara-bola ny filoha

Tao anatin’ny Fihaonana an-tampony faha-32 nataon’ny Vondrona afrikanina (UA) tany Addis-Abeba, izay nifarana omaly, nisy ny fihaonan’ny delegasiona malagasy notarihin’ny  filoha Rajoelina Andry tamina filoham-panjakana, tomponandraikitra amina fikambanana iraisam-pirenena. Nisy ihany koa ny mpandraharaha ara-toekarena, ny mpampiasa vola vahiny izay liana hifandrimbona amin’i Madagasikara…

Anisan’ny nihaonany tamin’izany, ohatra, ny filoha ivoarianina, i Alassane Ouattara, izay nilaza fa modely ho an’ny fampandrosoana aty Afrika i Côte d’Ivoire. Voaresaka ny roa tonta tamin’izany ny sehatra hahazoana miara-miasa, indrindra eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny   orinasa mpanodim-bokatra.

Atrehina avy hatrany ny laharam-pahamehana

Ankoatra ny fihaonana manokana nataon’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ireo filoha afrikanina maro, nisy ny fihaonany tamin’ny filohan’ny Banky afrikana momba ny fampandrosoana (Bad), i Akinwu Adesina. Nangatahin’ny filoha tamin’izany ny mba hamoahana haingana ny fanampiana ara-bola hanamafisana ny fampiharana ny tetikasa sy vinam-pampandrosoana tafiditra ao anatin’ny politika vaovao ny fanjakana amin’izao fotoana izao.

Anisan’izany laharam-pahamehana amin’izay politika vaovao izay, ohatra, ny fiatrehana ny fanjarian-tsakafo, ny fampiasana ny angovo azo avaozina. Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho lasa sompitry ny famokarana vary eto amin’ny faritra ranomasimbe Indianina. Eo koa ny hampitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra ao anatin’ny dimy taona. Naneho ny fahavononany hiara-miasa hatrany amin’i Madagasikara ny filohan’ny Bad, i Akinwu Adesina. Ho firenena misandratra i Madagasikara.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.