Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andravoahangy: nomena fanampiana ireo traboina

Andravoahangy: nomena fanampiana ireo traboina

Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina rava trano ao Andravoahangy Atsinanana ny delegen’ny boriborintany fahatelo, i Hery Razafintsalama sy ireo mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro lasa teo.  Nahatratra 121 ireo traboina avy amin’ny fianakaviana 32.Vokatry ny orambe niseho, ny alakamisy lasa teo no nitarika ny faharavan’ny trano satria dibo-drano tanteraka.  Trano biriky roa lehibe misy fianakaviana 14 no rava tanteraka. Misy cité izay misy fianakaviana 18 kosa no tsy navelan’ny mpamonjy voina nipetrahana intsony fa ahina hitera-doza. Vokatr’izany firodanana izany, betsaka ireo entana tsy misy azo raisina intsony tamin’ireo trano rava. Ny alahady maraina, nafindran’ny ekipan’ny boriborintany fahatelo tetsy amin’ny kianja mitafo Besarety tantanan’ny kaominina ireo traboina ireo, raha tetsy amin’ny EPP Andravoahangy Atsinanana II sy Hotely Santatra no nasiana azy ireo vonjy maika teo aloha. Fianakaviana 17 ahitana olona 67 sisa no nipetraka tao, fa ireo ambiny kosa efa lasa nody any amin’ny fianakaviany sy ny havany avokoa .

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.