Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Naiditra vonjimaika am-ponja ny herinandro teo ny lehiben’ny Cisco Antananarivo renivohitra teo aloha. Heloka anenjehana azy, ny fanodinkodinana fitaovam-panjakana sy fanamparam-pahefana. Ny sampana manokana miady amin’ny kolikoly no miandraikitra ity raharaha ity. Ny volana oktobra 2016 no nihetsehan’ity raharaha ity taorian’ny fitarainana voaray momba ity lehiben’ny Cisco teo aloha ity. Niditra an-tsehatra ny BIANCO taorian’izay.

Nidina ifotony nanara-maso ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana teny Namontana sy ny manodidina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard Léon, afakomaly alina. Nankahery ireo mpitandro filaminana ihany koa izy nandritra ity fidinana ity. Toerana maro teto an-drenivohitra no nanaovana fidinana manokana toy izao noho ireo ahitana trangana tsy fandriampahalemana.

 

 

Les commentaires sont fermées.