Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tranombokim-pirenena: nisy nikasa hamoaka ireo entam-panjakana

Tranombokim-pirenena: nisy nikasa hamoaka ireo entam-panjakana

Nisy fikasana hamoaka entam-panjakana tao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, omaly maraina. Nahitana latabatra miisa roa izay fitaovam-panjakana ireo nokasaina havoaka an-tsokosoko ireo. Efa naverina ao amin’ny tranombokim-pirenena ihany anefa ireto fitaovana ireto taorian’ny fahatongavan’ny vadintany. Nohamafisin’ny vadintany hatrany fa tsy manaraka ny lalàna ny fomba namoahana ireo entana ireo. Araka ny fanadihadiana hatrany, na ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina izay miahy ity tranombokim-pirenena ity aza tsy mahafantatra ny fisian’io famoahana entana an-tsokosoko io. Manoloana izany, ambetintenin’ny filoham-pirenena hatrany fa tsy maintsy ho raisina ny fepetra sy ny fampiharana ny lalàna ka tsy hisy ireo izay minia hipetraka eo ambonin’ny lalàna eto Madagasikara. Tsy azo atao ary voararan’ny lalàna ny famoahana entam-panjakana toy izao. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny raharaha.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique