Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tolona – Fifaninanam-pirenena: mpitolona 200 mahery nandray anjara

Tolona – Fifaninanam-pirenena: mpitolona 200 mahery nandray anjara

Tontosa, omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafo Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’ i Madagasikara ny taranja tolona. Mpandray anjara miisa 200 mahery, ao anatin’ny ekipa miisa 10 no tonga niady ny lohany, nandritra iny fifaninanana iny, nahitana ny klioban’ny Rossary, CosPN, Cheminots, Cosfa, 3fb, Csla Ambohimanarina. Ankoatra izay, nahatonga solontena ihany koa ny ligin’ny Boeny, Ihorombe, Atsinanana.

Toy ny mahazatra rehefa fifaninanam-pirenena toy izao, tonga nanome voninahitra teny an-toerana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto. Nanambara ity farany fa homena lanja ny taranja tolona amin’ity taom-pilalaovana ity. Tetsy ankilany, nisy ny fangatahana nataon’ny filohan’ny federasiona malagasy taranja tolona, Raveloson Mamitiana,toy ny fampidirana ity taranja ity ao anatin’ny “sport étude” . Nanambara ihanykoa  izy fa tokony ho isan’ireo atleta miatrika lalao iraisam-pirenena sy fiofanana toy ireny tany Sina ireny, ny mpitolona malagasy. Setrin’izany fangatahana izany, nilaza ny minisitra fa mila manome ny programan’asany mazava ny federasiona hahafahana manampy azy. Tsy tokony hisy intsony ny kilavaka sy ny tandrevaka amin’ ny fitantanana ny federasiona, hoy hatrany ny minisitra. Raha hiverenana ny lalao omaly, ekipa nisongadina ny ekipan’ny Cospn satria anisany nanana mpitolona manana ny maha izy azy tokoa. Ity klioba ity no nahazo ny medaly volamena betsaka indrindra. Tetsy ankilany, nanome ny tsara avy aminy ihany koa ireo mpikatroka avy any amin’ny faritra.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.