Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Siramamy misy akora simika: tsaho natao hampisavorovoro

Misy vaovao niparitaka amin’ny tambajotra serasera, omaly momba ny fiparitahan’ny siramamy vovony mifangaro poizina simika mahafaty miparitaka eny amin’ny tsena eto amintsika. Nanambara ny tomponandraikitry ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Rakotoarivony Manitra fa tsy marina velively izany vaovao izany ary hiniana haparitaka hampisavorovoro ny saim-bahoaka fotsiny. Efa indroa izao no namoahan’ny kaonty io vaovao io ary mitovy hatrany ny hafatra voiziny. Manoloana izany, hitondra fanazavana momby izany vaovao tsy marina izany ny mpiandraikitra ao amin’ny minisitera anio. Mila mailo ny rehetra amin’ny fandraisana hafatra miparitaka tsy misy fototra amin’ny tambajotra, mety hiteraka savorovoro.

Les commentaires sont fermées.