Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Salazamay – Toamasina: trano miisa 28 tafo kila hotohoton’ny afo

Salazamay – Toamasina: trano miisa 28 tafo kila hotohoton’ny afo

Nitrangana haintrano goavana indray tao amin’ny fokontany Salazamay Avaratra Toamasina, ny alakamisy alina tamin’ny 10 ora. Nandritra ny fiandrasam-paty tao an-toerana no nitrangan’ny loza ka tamin’ny 2 ora sy 15 mn maraina vao voafehy tanteraka ny afo. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza, tapaka ny herinaratra tamin’io fotoana io ary niverina tampoka ka nandritra izay indrindra no nisy zavatra nipoaka mafy tamin’ny taribin-jiro mitondra herinaratra avy amin’ny tsatobaton’ny Jirama sy tokantrano iray mifanandrify aminy ka nitarika ny firehetana. Vokany, nirehitra ny trano voalohany nefa tsy tao an-trano ny tompon-trano fa teny amin’ilay tokantrano nisy fiandrasam-paty. Efa nijoalajoala ny afo vao samy nikoropaka ny rehetra. Nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo ihany ny mponina mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina. Niitatra ny afo ka trano lehibe maromaro sy orinasa iray fanodinana hazo sy fivarotan-kazo no kilan’ny afo. Miisa 198 ireo olona traboina tsy manan-kialofana noho ity haintrano ity.

Sajo

Les commentaires sont fermées.