Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Oniversiten’Antananarivo: nisy ny fizaram-baovao momba ny kitrotro sy pesta

Oniversiten’Antananarivo: nisy ny fizaram-baovao momba ny kitrotro sy pesta

Nitondra famelabelaran-kevitra momba ny aretina kitrotro sy ny pesta teny amin’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana eny Ankatso ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanazava ny maha zava-dehibe ny hetsika fanaovam-baksiny iadiana amin’ny aretina kitrotro tontosain’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny tomponandraikitry ny fakiolte, ny profesora Samison Luc Hervé. Nahaliana ny mpanatrika, indrindra ny mpianatra, ny vaovao nanodidina ny fifindran’ny areti-mifindra roa sy ny fiarovana samihafa. Tanjon’ny fizarana, omaly, ny hametraka ny anjara andraikitry ny fakiolte manoloana ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny fahasalamana.

Efa nanohana tamin’ny fanaovam-baksiny faobe iarovana ny ankizy amin’ny aretina kitrotro ny mpianatra ho mpitsabo sy ho « infirmier » taona fahadimy, nahatratra 200 tamin’ny andiany voalohany natao ny 14-18 janoary lasa teo.

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique