
Nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika, Ravokatra Fidiniavo ny sendikan’ny mpiasan’ny Kraomita malagasy (Kraoma) ny faran’ny herinando teo, teny Ampandrianomby. Iaraha-mahalala ny olana mahakasika io orinasam-panjakana io hatramin’ny nisian’ny fifandraisana amina orinasa vahiny Kraoma Mining. Teboka folo no niarahan’izy ireo nidinika hamahana ny olana, ny minisitra rahateo nametraka fa ny tombontsoam-pirenena no ambony indrindra.
Nasian-teny voalohany ny tsy maintsy handoavan’ny Kraoma Mining ao anatin’ny fotoana fohy ny karaman’ireo mpiasa mbola tsy voaloa ; famerenana ny mpiasa rehetra amin’ny asany ; tsy fanenjehana ny sasany ; miaraka amin’izany koa ny fandovana ny Cnaps sy fiantohana ireo mpiasa. Apetraka ny karazana komity hifanakolazan-kevitra handraisana fanapahan-kevitra raha hotohizana na hajanona tanteraka ny fiarahana amin’ny Kraoma Mining.
Angatahana ny fanalana ny talen’ny Kraoma Mining
Nangataka tamin’ny minisitra ireo sendikan’ny mpiasa hanendry mpitondra vonjimaika hitantana ny orinasa hatramin’ny hisian’ny fanendrena tale jeneraly vaovao. Noho izany, angatahan’ireo mpiasa ny fanalana ny talen’ny Kraoma Mining sy ny fanomezana tombontsoa manokana ireo olom-bitsy.
Naharitra ora maromaro ny fifampiresahana tao anatin’ny firahalahiana. Niarahaba ny minisitra vaovao amin’ny andraikitra sahaniny ireo mpiasa ka tamin’izany nanambaran’izy ireo ny ahiahiny momba ity orinasa ity sy ny hoavin’izy ireo. Orinasam-panjakana ny Kraoma, mitrandraka kraoma any amin’ny kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, faritra Betsiboka.
R.Mathieu