Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Emiliano Sala: 30 000 euros avy amin’i Mbappé hitadiavana ilay mpanamory

Kitra – Emiliano Sala: 30 000 euros avy amin’i Mbappé hitadiavana ilay mpanamory

Raha tsiahivina, efa hita ny alakamisy lasa teo ny vata-mangatsiakan’ilay mpilalao baolina kitra Argentin, Emiliano, rehefa nikaroka izany nandritra ny 3 herinandro ny mpanao fikarohana sy ny polisim-pirenena britanika. Taorian’izay, niverina ny fanantenana ho an’ny fianakavian’ilay mpnamory fiaramanidina, antsoina hoe, David Ibboston ary tapa-kevitra ny hanohy ny fikarohana izy ireo.

Tetsy ankilany, nanolotra fanampiana ity fianakaviana ity ny mpilalao baolina kitra, Kylian Mbappé mba hahafahana mikaroka indray an’i David. Fanampiana izay mitentina 30000 Euros. Marihina fa tsy mbola nahitana vokany mihitsy ny fitadiavana azy teo amin’ny faritra voalaza fa nahitana ilay fiaramanidina. Araka izany, manao antso avo amin’izay malala-tanana ny fianakavian’ity mpanamory mba hanampy amin’ny fikarohana an’i David Ibboston. Nanamafy ihany koa izy ireo fa mihasarotra ny fitadiavana ny vatan’ny havany noho ny haratsian’ny toetrandro any an-toerana. Na izany aza, mbola misy hatrany ny fanantenana fa tsy maintsy ho hita David, hoy hatrany ny fanazavana. Amin’izao, hatramin’ny nanombohan’ny antso avo ny hanomezana tolo-tanana ity fianakaviana ity, vola mitentina 140000 euros no efa eo am-pelantanana, tao anatin’ny 2 andro izay. Mbola tsy ampy anefa izany ka izany indrindra no mbola hangatahana ny fanohanana avy amin’ny tsara sitrapo, raha ny nambaran’ireo fianakaviana. Andrasana indray, araka izany, ny mety ho vokatr’ity fikarohana ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.