Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ilanivato: tratra ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana

Ilanivato: tratra ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana

Saron’ny polisy avy ao amin’ny PPA Ilanivato, ny alarobia lasa teo ireo jiolahy roa malaza ratsy amin’ny fanendahana eny amin’ny Trano dimy Ilanivato. Raha ny fanazavan’ny polisy, nahazo antso izy ireo fa misy roa lahy mampiahiahy mivezivezy sy mihodinkodina eo anelanelan’ny masera Ilanivato sy ny Trano dimy noho io toerana maizimaizina. Nidina teny an-toerana ny polisy ka tratra teo ireo jiolahy roa. Telo lahy ry zalahy, saingy tafaporitsaka ny iray raha vao nahita ireo polisy. Eny Anosipatrana sy eny amin’ny Trano dimy no tena famelezan’ireto jiolahy ireto.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique