Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitsy toraka:  lesona amin’ny ho avy

Mby ao an-tsaina avy hatrany ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, rehefa misy ny lalao iraisam-pirenena, tontosaina eto amintsika. Toerana hany tokana afaka mandray lalao goavana toy izany, raha ny eto an-dRenivohitra no resahina. Efa manomboka simba anefa izany, mba tsy hilazana fa efa tsy azo ilalaovana intsony mihitsy, raha ny hita nandritra ny fiadiana ny ny CCC Zone 7, taranja volley ball, notontosaina tamin’iny herinandro iny. Ekena fa nisy ny tandrevaka nataon’ny tomponandraikitra ka nahatafiditra ny rano tao an-dapa, vokatr’ilay orambe, ny alakamisy lasa teo izay tsy maintsy nanajanonana nandritra ny fotoana maharitra ny lalao. Na izany aza, efa ela no tokony nasiana fanavaozana ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa nisy fotoana saika hanakatonana ity lapa ity fa izao niverina nisokatra izao indray. Lalao iraisam-pirenena anefa ity ka mendrika lapa sy kianja manara-penitra. Araka ny fantatra, handray ny fifaninanana iraisam-pirenena, eo amin’ny taranja basikety indray ity toerana ity, ny faran’ny herinandro izao. Antenaina fa nisy ny lesona azo ka hahafahana manarina ny lesoka ao anatin’ny fotoana fohy, mialoha io fotoana io. Tsy amin’ny fandraisana lalao goavana ihany anefa no ilaina ny fanavaozana. Tokony himasoana faran’izay haingana ny fanamboarana. Mba ho tanteraka amin’izay ilay velirano faha-13, ny filoham-pirenena.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique