Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fanapariaham-pahefana manara-penitra ahafahana manavaka ny angady sy ny harona

Miseho daholo ny aretina sy takaitra nohon’ny tsy fahampin’ny fitandremana atao hiatrehana ny etraketraky ny toetr’andro. Na atao hoe tsy vaovao intsony amin’ny mponina aza ny fiparitahan’ny fako sy fasika ny ampitson’ny fivatravatran’ny firotsahan’ny orana, gaga ihany ny maraina raha mahita ampahan’ny arabe amina toerana maro lasa farihy kely. Teo aloha rehefa toy ny dobo rakotry ny rano ny arabe mandritran’ny ora vitsivitsy aorian’ny fiaton’ny orana dia mitsika tsy kelikely ny riaka, amin’izao fotoana izao maro ireo toerana iandronan’ny rano mandritran’ny fotoana maharitra nohon’ny tsy fahazakan’ny tsenan’ny dalina sy fantsona itroka sy amalana azy amin’ny fivarinana any an’ony. Tsy vitan’ny fitombo an’isan’ny mponina sy ny fako vokariny fotsiny ny anton’ny fisehon’ny tranga toy izany fa eo koa ny tsy fahafahan’ny tompon’andraikitra anenjika sy iherika amin’ny fiatrehana adidy sady maro no maro karazana etsy sy eroa. Iza moa no tena voatonona amin’izany filazana hoe tompon’andraikitra izany ? Tonga ao an-tsaina voalohany ny Ben’ny tànana sy ireo mpiara-miasa aminy, haingana toy izay anefa ny valiny ahafahany manilika andraikitra nohon’ny tsy fampin’ny enti-manana vokatry ny tsy fahampina fahazavana momban’ny fitsinjarana ny fahefana sy ny tsy fifandanjan’ny fananana enti-miasa sy ny andraikitra mipetraka. Mifamahofaho avokoa ny adidin’ny atsy sy andraikitry ny aroa, aiza no tsy hifandringitra sy tsy hifanilika hatrany rehefa mitranga toy izao ny tsy mety.

Aiza noho izany ny fomba anaovana sy ny toerana ametrahana ny fanapariahana fahefana, rafitra izay maharesy lahatra ny rehetra mikasika ny maha fitaovana manan-kery sy antoka tsy afaka difirina azy amin’ny fandaminana asa sy ny fahazona vokatra ho an’ny fampandrosona ? Tsy afaka tsinjaraina amin’ny fangalana sobimtsombina atsy sy fampiasana rambondrambony kely eroa ny fenitra mifehy ny fitsinjarana fahefana. Fototra moa ny maha olom-boafidy ny tompon’andraikitra rehetra eo amin’ny faritra tsirairay najoro sehatra mizaka sy miadidy fahefana notsinjaraina, na kominina izany na faritra. Ny fahefan’izy ireo efa voafetra araky ny lalàna mifehy ny fitsinjarana ny fahefana sy ny adidy ary ny fari-bola anjarany, ny vahoaka kosa no tompon-teny misafidy ny tanjona araky ny tolotra ataon’ny mpilatsaka ary mitsara ny vokatra amin’ny fifidianana manaraka.

Rehefa voaaraka toy izany ny fenitra vao afaka avahana ny angady sy ny harona.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique