Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika Izara love: fandraisana ny fanampiana avy amin’ny daholobe

Hetsika Izara love: fandraisana ny fanampiana avy amin’ny daholobe

Misy hetsika lehibe Izara love handraisana ny fanampiana avy amin’ny daholobe eny amin’ny Parvis ao anatin’ny lapan’ny tanàna, ny asabotsy ho avy izao. Mikarakara ny hetsika ny Madagascar Will Rise sy ny Tsiky ho anao miaraka amin’ny mpanakanto maromaro. Afaka aterina eny an-toerana mandritra ny tontolo andro ny fitaovana, akanjo, sakafo… izay hozaraina amin’ireo olona sahirana indray avy eo. Tanjona ny hizara fitiavana sy tsiky amin’ny fanohanana ny mpiara-belona. Samy manana mpilatsaka an-tsitrapo ny fikambanana roa handray anjara amin’ny fanangonana ny fanomezana aterin’ny olona. Misy fikambanana hafa efa misehatra amin’ny tetikasa eny ifotony manome tanana hanohana ny Izara love amin’io fotoana io.

Manana sahanasa fanaony eny anivon’ny fiarahamonina ny fikambanana roa mpikarakara fa natambatra ny hery ho an’ny Izara love.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique