Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanajariana ny tany: sarona ny mpanototra tany tsy manara-dalàna

Fanajariana ny tany: sarona ny mpanototra tany tsy manara-dalàna

Hentitra amin’ny fanaraha-maso sy ny fomba fiasa. Tratra tetsy amin’ny sampanana

Tsarasaotra, omaly ireo fiara kamiao be miisa efatra nanao fanotofana tany, tsy nanana fahazoan-dalana. Saron’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny trano fonenana ary ny asa vaventy tamin’izany ny olona telo raha tafaporitsaka kosa ny iray. Fantatra tamin’ny fanadihadiana natao fa nokasaina hanorenana fotodrafitrasa ity tany nototofana ity. Nogiazana sy nahiboka avy hatrany ireo fiarabe ireo. Hivoaka anio, ny sazy momba ity raharaha ity. Nandefasana taratasy tsy fahazoana manototra tany avy hatrany kosa ny teny amin’io toerana io. Anisan’ny miteraka ny fiakaran’ny rano eto an-dRenivohitra sy amin’ny faritra iva ny fanotofana tany tahaka izao. 

Fiaram-panjakana sy lalana simba…

Tsiahivina fa anisan’ny mahasarotiny ity minisitera ity ny tsy fanarahan-dalàna sy ny kitoatoa ary ny gaboraraka hatramin’ny nandraisan’ny minisitra Andrianainarivelo Hajo izany minisitera izany. Eo ohatra ny famerenan’ireo orinasa ny asa fanamboaran-dalana tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana ary asa zara fa vita. Nanombohana izany ny lalana eto an-dRenivohitra. Manampy izany ny namerenana ireo fiaram-panjakana tany amin’ny olon’ny fitondrana teo aloha nampiasainy ho amin’ny tombontsoany manokana sy nanaovana fanamparam-pahefana. Izao indray ity fanotofana tany tsy manara-dalàna ity.

Synèse R

Les commentaires sont fermées.