Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – “Afroleague 2019”: hiady amin’ny CosPN voalohany ny Petro de Luanda

Basikety – “Afroleague 2019”: hiady amin’ny CosPN voalohany ny Petro de Luanda

Fihaonana goavana no miandry ny ekipa malagasy CosPN, ao amin’ny vondrona D, ao anatin’ny fifaninanana “Afroleague”, taranja basikety. Fifaninanana hanomboka ny zoma 15 febroary izao, eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Araka ny efa fantatra, i Madagasikara no handray ny lalao fifanintsanana, ho an’ny vondrona D, amin’ny “Afroleague”. Hahitana ireo ekipa kalaza, dia ny Petro de Luanda avy any Angola, ny Smouha avy any Ejypta, ny BC Mazembe ny Congo ary ny ekipa malagasy,CosPN. Raha ny voalaza ao amin’ny fandaharan-dalao, hanokatra ny lalao ny fihaonanan’ny Kongoley sy ny Ejyptiana, ny andro voalohany. Ry zareo Angoley no miandry ny CosPn, aorian’izay. Ekipa kalaza ity hifanandrina amin’ny solontenantsika ity raha ny traikefany no jerena. Vonona ny handavo azy anefa ny ekipa malagasy, efa nisy rahateo ny fanatevenana ny ekipa tamin’ny alalan’ireo mpilalao mpila ravinahitra, izay hitondra anjara biriky amin’ny fanandratana avo ny voninahi-pirenena. Eo amin’izay fandaharan-dalao izay hatrany, hifandona amin’ny Smouha ny CosPN ny asabotsy, raha toa ka ny Bc Mazembe avy any Congo no hifampitàna amin’ity solontenantsika ity, ny alahady 17 febroary. Tsiahivina, efa nanomboka ihany koa tetsy ankilany ny fifanintsanana ho an’ny vondrona C, notanterahina tany Ejypta. Nisongadina tamin’ny andro voalohany ny klioban’ny Deportivo sy ny Energy Group Ltd. Marihina fa hiady indray ny ekipa roa manana isa ambony ao amin’ny vondrona C sy D rehefa vita ireo lalao fifanintsanana ireo.

 

Mi.Raz

 

Fandaharan-dalao, Vondrona D

15 febroary :

BC Mazembe (RDC) vs Smouha (EGYPTE)

COSPN (MADA) vs Petro de Luanda (Angola)

16 febroary :

Petro de Luanda (Angola) vs BC Mazembe (RDC)

 

Smouha (EGYPTE) vs COSPN (MADA)

17 febroary:

Smouha (EGYPTE) vs Petro de Luanda (Angola)

BC Mazembe (RDC) vs COSPN (MADA)

 

Les commentaires sont fermées.