Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antananarivo: hitohy ny orana ho an’ny telo andro

Antananarivo: hitohy ny orana ho an’ny telo andro

Hitohy hatramin’ny alarobia ny oram-baratra eo amin’ny faritry ny afovoan-tany, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro,omaly. Dimy andro misesy ho avy hatrany ny orana, nanomboka ny asabotsy lasa teo. Antsasany tamin’ny refin’ny rotsak’orana ny alakamisy no nirotsaka ny asabotsy lasa teo na nahatsapa aza ny rehetra fa sady mafy ny rivotra no nanao be fiavy indray ny orana. 36 mm ny refin’ny rotsak’orana nanditra ny takariva sy ny alin’ny asabotsy raha 72 mm kosa ny alakamisy lasa teo. Mety hitranga hatrany ny orambe miaraka amin’ny tafiotra satria ao anatin’ny fotoam-pahavaratra ka tokony ho mailo ny rehetra, hoy ny teknisianina. Ny fotodrafitrasa rahateo efa antitra avokoa ka tsy maharaka ny tosiky ny rano sy ny riaka.

Ho an’ny anio, mandrahoana ny tapany maraina fa hisava kosa miandalana izany. Hanjaka ny orana ny tapak’andro hariva amin’ny afovoan-tany sy ny faritra maromaro : Diana, Sofia, Melaky, Betsiboka… hatrany Anosy. Ho an’ny maripana, eto Antananarivo, 18°C ny ambany indrindra raha 27°C kosa ny ambony indrindra. Tsy misy ahina ny fiforonan’ny rivodoza ao anatin’ny telo andro manaraka.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique