Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadifotsy: hoesorina ny fiara tsy mihetsika

Nanome taratasy filazana ho an’ireo fokontany sy ireo tompona fiara maty mijanona amin’ny sisin’arabe izay hita fa tsy mihetsika amin’ny toerany intsony ny avy ao amin’ny boriborintany fahatelo, ny herinandro lasa teo. Manambara ny taratasy fa tokony hoesorina ireo fiara ireo satria miteraka loto sy mibahana ny lalana fotsiny. Voakasik’izany ny fampilazana ny faritra Ankadifotsy, manomboka eo amin’ny Lil’Optique mihazo ny Clinique ary mivoaka any Ambodivona iny. Manodidina ny 40 eo ny fiara hita fa tena tsy mihetsika mihitsy amin’ny iny faritra iny. Sarotra ho an’ny mpanadio sy mpamafa lalan’ny kaominina ny manala ireo fako izay tandrify azy ka noraisina izao fepetra izao. Fe-potoana 48 ora no nomen’ny boriborintany fahatelo azy ireo hanalany ny fiarany ahahafahan’ny mpanadio manao ny asany. Tonga teny an-toerana ny ekipan’ny teknikan’ ny boriborintany fahatelo nanatanteraka ny asa. Hisy ny fepetra ho raisina ho an’ireo tsy manaiky ny fandaminana. Hitohy ny hetsika any amin’ny faritra hafa : Andravoahangy, Tsiazotafo, Antanimena.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.