Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

JOCV: homarihina any Toamasina ny “matsuri”

JOCV: homarihina any Toamasina ny “matsuri”

Lasa fahazarana ary manomboka efa fantatra eto amintsika ny “matsuri”. Tsy inona izany, ho an’ireo mbola tsy mahalala, fa karazana fety nentim-paharazana na “festival” fanaon-dry zareo Japoney.

… Any amin’ity firenena ity, samy mikarakara ny “matsuri”-ny ny tanàn-dehibe, ny faritra ary ny tanàna madinika. Tato anatin’ny taona vitsivitsy izay, mampahafantatra ity fety ity sady mampiaina izany amin’ny mpiara-monina aminy ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney na ireo JOCV. Hotanterahina, ny asabotsy 2 marsa, ao amin’ny CRJS Toamasina, ny “matsuri” amin’ity taona 2019 ity. Mikarakara izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney miasa any an-toerana, miaraka amin’ireo manampahefana eny ifotony, avy amin’ny faritra Atsinanana sy ny kaominina Toamasina.

Fotoana iray hampahafantarana ny kolontsaina japoney io. Ao anatin’izany ny hira sy ny dihy. Eo koa ireo karazana kilalao mampiavaka ny mponina ao amin’ity firenena ity ary ny karazana fanatanjahantena, toy ny karate sy ny “undokai”, karazana fanatanjahantena mifangaro dihy sy “fitness”. Tsy hadino ny fampianarana fohy ny Japoney sy ny fanehoana karazana sakafo mampisongadina azy ireo amin’ny maro.

Marihina fa manoro sy mampianatra karazan-tsakafo ara-pahasalamana ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney, any amin’ny toerana iasany. Tanjona ny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.