Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanarenana ny Rova: miantso ireo manana tolo-kevitra ny minisitra

Nivaly ny fangatahan’ny maro. Taorian’ny filazana nataon’ny filoham-pirenena mikasika ny hamitana ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo mialoha ny 26 jona 2020, maro ireo naneho hevitra mifandraika amin’izany. Namoaka taratasy fampiantsoana mifandraika amin’izay, indrindra ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, omaly.
Araka izany, antsoina ireo olon-tsotra na fikambanana rehetra voakasika na manana tolo-kevitra na fanamarihana teknika, na fomba na tantara mikasika ny asa fanarenana ny Rovan’Antananarivo. Asaina am-panajana izy ireo hanatona ny biraon’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, sy hitondra antontan-taratasy mamintina ny tolo-kevitra na fanamarihana manomboka ny alatsinainy 11 febroary hatramin’ny alatsinainy 18 febroary.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.