Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zaka tsara: misy ny azo atomboka izao… 

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena? Na maika avokoa ny zava-drehetra amin’izao…  Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fahasimban’ny lalana noho ny ora-mikija misesy, ny ady sy ny fandrobana tany tsy mahafa-bela etsy sy eroa… Efa am-perinasa tanteraka ny fitondrana amin’izao fotoana izao.

Na izany aza, tsy misy akory ny fahagagana. Na ahoana na ahoana, arakaraka ny ataon’ny tena ihany no mahatsara na maharatsy. Ao ny andraikitry ny fitondram-panjakana mivantana toy ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fanamboaran-dalana, ny fiarovana ny asa fandraharahana eto an-toerana…

Nefa tsy ilaozan’izay anjaran’ny vahoaka: izay tsy manimba, naman’ny mikajy sy manamboatra; izay tsy mandoto, naman’ny manadio… Mila kajina àry ny eo an-tanana, andrao votsotra amin’ny hoe fanovana… mila ezaka hiaraha-manana sy hiaraha-miainga. Misy ny azo atomboka izao amin’izany?

R.Nd.

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.