Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Misaona ny tafika malagasy: maty an-drano ny Jly Rakotonandrasana Noel

Misaona ny tafika malagasy: maty an-drano ny Jly Rakotonandrasana Noel

Banga ny tontolon’ny manamboninahitra ambony. Nodimandry, omaly  tany Bemangoraka Mahazoma any Maevatanana ny jeneraly misotro ronono, Rakotonandrasana Noel. Maty an-drano raha saika hanavotra ny ain’ny olona iray izy .

Nanavotra ny zana-drahalahiny izy, niandry omby nentin’ny rano ny tenany izao nindaosan’ny fahafatesana izao raha avotra kosa ilay havany.

Raha ny fanazavana, handeha hamonjy fodiana ilay zana-drahalahiny io, niaraka tamin’ny omby ary niampita rano. Nisy vinany anefa ka latsaka tany ilay tovolahy. Nanavotra azy avy hatrany ny Jly Rakotondrsana raha vao nahita izany.

Avotra soamantsara ilay tovolahy

Avotra soa aman-tsara ilay zana-drahalahiny fa izy kosa natelin’ilay vinany sy ny rano-trambo. Nifandrimbona ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana tany an-toerana tamin’ny fikarohana azy. Naharitra ora maro vao hita ny razana. Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviana ny vata mangatsiakany.

Efa lehiben’ny toby RFI eny Ivato ny tenany tamin’ny fotoan’androny. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny hetsika 2009, niaraka tamin’ny miaramilan’ny Capsat koa. Voatendry ho  minisitry ny Fiarovam-pirenena nandritra ny fitondrana tetezamita, notarihin’ny filoha Rajoelina.

Nanohana ny K25

Anisan’ireo manamboninahitra ambony miisa 16 nanao fanambarana teny amin’ny Bani Ivato, ny 17 novambra 2010 ny Jly Rakotonandrasana Noel, niaraka amin’ny Jly Raoelina, ny Kly Raberanto, ny Kly Coutiti, ny Kly Andrianasoavina Charles… Nanambara izy ireo tamin’izany ny fijoroan’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena. Nampidirina am-ponja teny Tsiafahy ny sasany amin’izy ireo taorian’izany. Nangina tanteraka ny Jly Rakotonandrasana Noel, taorian’izany sy nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nivoaka amin’ny fanginany  anefa izy tamin’ny fifidianana farany teo ary nanohana ny kandidà Ravalomanana, niara-dia amin’ny K25.

Synèse R. sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.