Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Iza no tena diso?

Iza no tena diso?

Lasa olana be ny fanalana ireo mponina etsy Ambanin’Ampamarinana sy ny manodidina. Izay tandindomin-doza noho ny vatobe mety hikoro sy ny fihotsahan’ny tany nolazoin’ny taona, ny hafanana ary ny rotsak’orana. Vao mainka nahatonga fahasorenana ilay filazana fa harodana ny trano fonenana voakasik’ity fepetra ity. Voatery nanitsy izany ny lehiben’ny fokontany teo an-toerana hampitoniana ny feo nanomboka niakatra. Tsy mora tokoa izany hoe ilay zava-bita nisasarana, nandaniana mondro kely dia hafoy ao anatin’ny indray mipi-maso. Ny fanjakana anefa tsy hanarina ny simba eo na koa hanonitra izany amin’ny sandany nanorenana azy. Ho an’ny tomponandraikitra, tsy tokony hisy intsony ny aina hafoy satria efa fantatra fa hisy ny loza ka nahoana no mbola avela eo ireo mponina ireo. Nanahirana be ny fitadiavana ireo razana tototry ny tany tao nanetsehana olona maro andro sy alina mihitsy.  Indrindra ilay fihotsahana tetsy Tsimialonjafy niseho ny takarivan’ny asabotsy 19 janoary lasa teo. Andro voafidy nametrahana tamin’ny fomba manetriketrika ny filoham-pirenena sy nandraisana ny fianianany nanoloana ny vahoaka, ny mpitsara avo momba ny lalampanorenana sy ireo vahiny nanotrona.

Ratsy fanombohana, hoy ny tsy maty voalavo an-kibo ny fitondrana. Kanefa izao no mitranga dia noho ny gaboraraka hatrizay. Tany kisilasila miloloha “rangolahy” ve mety hanorenana akany hipetrahana maharitra? Saingy zara aza izy ireo nahavita ka nahoana no sakanana? Tsy ilaina izany fanajana ny rafitry ny tanàna izany, na ilay hoe “Plans d’urbanisme”. Firy ny seminera, dinidinika natao momba izany fa samy manao izay tiany sy mahamety azy ny rehetra eo amin’ny fanorenana sy taotrano. Ny fanotorana ny tany tokony hivarinan’ny ranon’orana miroborobo izaitsizy. Lasa dibo-drano mandavan-taona ny faritra iva. Lazoin’ny aretina ny ankizy noho ny tontolo iainany milomano ao anaty loto sy fofona maimbo. Mirongotra ny pesta, mamono ny kitrotro, mamely ny gripa. Ireo tetikasa natao hametrahana drafitra maty paika toa tsy nahomby avokoa ka ny rehetra no mizaka ny vokany. Iza ary no tena diso? Ka aoka izay ny fifanomezan-tsiny fa jereo aloha ny nataonao vao manasa vangy amin’ny hafa.

Andrianjaka Vonjy

 

Les commentaires sont fermées.