Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

30 taona namoronan-kira i Toly: hampiara-peo i Bodo sy i Rija R.

30 taona namoronan-kira i Toly: hampiara-peo i Bodo sy i Rija R.

Matetika, takona any ambadiky ny sehatra ny mpamoron-kira ! Kanto goavana be anefa ny vitan’izy ireny. Iray amin’izany i Toly. Hanamarika ny faha-30 taona namoronan-kira sy naha poeta azy izy. Hisy ny seho an-tsehatra ny volana marsa izao, ao amin’ny CC.ESCA Antanimena, izay hiarahana amin’i Bodo sy i Rija Ramanantoanina. Ankoatra ny hira hohirain’ireto mpanakanto ireto, hisy ihany koa ny fampiaraham-peo amin’io fotoana io.

Marihina fa anisan’ny miara-miasa akaiky amin’i Toly eo amin’ny tontolon’ny hira i Bessa, i Tovo Andrianandraina, i Clim, i Rija Ramanantoanina, sns. Amin’ny ankapobeny, i Toly no manoratra ny tononkira fa ireo mpanakanto ireo kosa no mamorona ny feony. Mandritra ity fampisehoana an-tsehatra ity, fantatra fa any ho any amin’ny 85%-n’ny hira hokaloina eny an-tsehatra, saika noforonin’i Toly avokoa.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny seho efa ela ihany no saika hanatanterahana azy ity, saingy nahemotra fa noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.