Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Omeo lanja ny fikarohana !

Omeo lanja ny fikarohana !

Mila fampandrosoana haingana i Madagasikara. Manana manampahaizana maro ny Malagasy. Saika ahitana azy ireny avokoa ny isan-tsehatra. Nikaroka, mikaroka ary mbola tsy mitsaha-mikaroka izy ireo. Hatreto anefa, tsy mbola tafapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy ireny voka-pikarohana ataon’ny manampahaizana ireny. Mety ho azo adika ho tsy fanomezan-danja ny mpikaroka ihany koa ny fihetsika tahaka izany…

Efa nisy ampahana vanim-potoana, tsy tafapetraka na tsy te hipetraka eto an-tanindrazany ny manampahaizana malagasy. Naleon’izy ireo nitady lalana tany ivelany satria tsy nifanaraka tamin’izay heverina fa tamby (valin-kasasarana, toerana na sehatra ahafahana mampivelatra ny fikarohana, fomba ampiasana ny valim-pikarohana, sns) sahaza ny fikarohana no azon’ny mpikaroka.

Mila hanaovana ezaka ve ny hamerenana ireny manampahaizana malagasy nivoaka any ivelany ireny ? Amin’ny lafiny iray, eny ; fa amin’ny lafiny hafa, mety ho sarotra ihany ny hanaovana izany raha tsy hita taratra mazava fa omena lanja izy ireo sy ny fikarohana ataony. Izany hoe, ny rafitra misy eto Madagasikara, eo amin’ny sehatry ny fikarohana mihitsy no tokony hamboarina.

… Amin’izay fotoana izay, tsy manao afa-tsy ny mikaroka ny mpikaroka. Azo ampiasain’ny firenena ny voka-pikarohana hitan’izy ireo. Azo antoka fa hisy fiantraikany tsara any amin’ny fikatsahana fandrosoana haingana ny fisian’ny manampahaizana sy ny fikarohana vitany eto amin’ny firenena.

Saingy na ho tafapetraka tokoa ary io rafitra io, misy toetra sy fahalalana goavana be takina amin’ny manampahaizana malagasy tsy ankanavaka raha tena vonona ny hiroso amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny Malagasy izy ireny. Mila mahafantatra ny Malagasy sy i Madagasikara izy ireo. Fa raha manampahaizana malagasy tsy mahalala akory ny momba ny Malagasy sy ny momba an’i Madagasikara, tsy misy azo antenaina aminy !

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique