
Vitsy ihany izany mpanoratra mahatadidy ny andro nanombohany nanoratra izany. Hafa noho ireny anefa i Brentch Mbolamasoandro satria « tadidiko tsara fa ny 6 febroary 1999 aho no nanomboka nanoratra voalohany. Tsaroako tsara fa andro asabotsy io andro io. Ilay sombin-tantara « Fitaky ny reny » kosa no vitako tamin’izany », hoy izy. Amin’izao faha-20 taona nanoratany izao, manana vina hamoaka rakikira ity mpanoratra sady mpiangaly haihaingo ity. « Raha ny eritreretiko, amin’ity taona 2019 ity no hamoahana io rakikira io. Sanganasako ny tonony. Nisy tamin’ireo no nasiako feony fa tao koa ireo noraisin’i Simon Randria ny nanao izany. Ny Dian-Tanamasoandro izay misy ahy kosa no hihira », hoy hatrany i Brentch Mbolamasoandro.
Marihina fa maro ny karazana asa soratra hikorisan’ny penin’i Brentch. Anisan’izany ny tantara foronina, ny tononkalo, ny famakafakana, ny tantara fandefa amin’ny Radio, sns. Tantara foronina mahatratra 5 sy tononkalo any ho any amin’ny 300 no fantatra fa eo am-pelatanany ankehitriny.
HaRy Razafindrakoto