Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Arthur Bourgogne: mampifandray an’i Bolivia sy i Madagasikara

Arthur Bourgogne: mampifandray an’i Bolivia sy i Madagasikara

Mpampiray, mpampihavana, mpitondra hafatra, sns. Ireo rehetra ireo ny azo ilazana ity mpanakanto iray ity. I Arthur Bourgogne ny anarany, mpakasary matihanina. Roa taona lasa izay, nampahafantariny, tamin’ny alalan’ny sary, tany Bolivia any, ny mombamomba an’i Madagasikara.

Ny 7 hatramin’ny 14 febroary izao kosa, etsy amin’ny Is’art galerie etsy Ampasanimalo, ny mifamadika amin’izay no hoentin’i Arthur Bourgogne. Araka izany, ho maro ny hahafantatra bebe kokoa mikasika an’i Bolivia, ao anatin’ny fampirantiana mitondra ny lohahevitra hoe “Pachamafia”.

Hisongadina kokoa ao anatin’ireo sary, nalainy tany amin’ity firenena any Amerika Atsimo ity, ny tontolon’ny kolontsaina. Maromaro ireo fanontaniana napetrany tamin’ny nakana ireo sary. Anisan’izany ny hoe ahoana ny hampifandraisana ireo kolontsaina roa, izay samy manana ny fototra sy ny maha izy azy?

Tadiavin’ity mpanakanto ity ao anatin’ireo sary ny singa mety hitovizan’ireo kolontsaina roa avy amin’ny firenena samy hafa mihitsy ireo. Mifanalavitra tanteraka ny misy an’i Madagasikara sy i Bolivia, saingy zavatra tokana mety iraisan’ireo firenena roa ireo ny fahantrana. Asa, niteraka fitoviana eo amin’ny kolontsain’ny roa tonta izany?

Landy R.

Les commentaires sont fermées.