Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: ny vola koa indraindray mba tsy kely làlana

Nohon’ny toe-draharaha mihatra eto an-toerana izay sady anjakazakan’ny vola no hisetrasetran’ny fahantrana toy ny miteny lango eo imason’ny fary ny fampitahiana ny vola amin’ny ratsy nohon’ny filazana azy ho tsy kely làlana. Raha mahare an’izany ny olona heno miakatra avy any ny feon’ny maro mikiakiaka hoe «atorohy anay izany làlana izany», nahafantatra ve ny tena tsy mba ho nanao an’ izay ifanenana taminy, indrisy fa ny fahitana azy mipotra tampoka efa eny an-tànan’ny sasany vao gina. Iarahana mahatazana ny fisitrahan’ny mpanana azy ary na ny fanjakana aza tsy maharaka na mody fanina momban’ny loharanon’ny harena mijoro tsy nampoizina. Eran-tany io fisehon’ny fampiasana harena tsy fanta-pihaviana io.

Raha henoina izao ny vaovao mikasika ny korontana any Venezuela, gaga ihany nohon’ny fahitana ny mpiomban’ilay nanangan-tena ho Filoha vonjy maika samy nisatroka kasikety sy ny tafy tee-shirt midera an’ilay olona tohanany. Fantapantatra ny vidin’ny fanamiana toy izany, ahoana ny fipongatry ny enti-manana ho an’ireo fianjaika miisa an’hetsiny ho fanaovana fihetsiketsehana, nefa eo andaniny efa roa tapitrisa izao ny mponina nitsoa-ponenana nohon’ny tsy fahafahana ahita hanina intsony, ary raha misy aza ny vola efa ho vola folo kilao vao atao hoe afaka atao takalon’ny vary iray kapoaka. Misitery ! Fahaizana mazy sa fanaovana fahagagana mihintsy ? Mbola tsy fantatra koa ny valin’izany, raha nisy irika ve mba naka tahaka an’izany koa ny tena. Ny fahaizana sy vintana moa samy manana ny tandrify azy, asa na fahendrena na fomba fanamoramoraina fotsiny entina ho fampiononan-tena ny eritreritra toy izany. Nefa misy angamba any ho any rafi-pitantanana mitahy ny rariny ahafahan’ny ankamaron’ny olona hisondrotra avy ao anatin’ny lavaky ny fahantrana dia mba tsy hitatakolaka fotsiny toy ny omby mipitrapitra mijery floara mandalo. Eo moa ny adidin’ny mpitondra amin’ny fandrafetana lamim-pitantanana ahafahana mampitombo ny famoronana asa, nefa rehefa eo ny asa mitaky fahavonona amokatra ezaka avy amin’ny olona maneho fitadiavana asa izany. Na ny baiboly aza efa nanambara fa «ny atsembohana no hany antoka ahafahana mihinana», maika fa ny mpampiasa izay ny fikarohana tombontsoa no antony voalohany tamin’ny fandrotsahany harena nanorenany orinasa. Valin’ny asa moa no atao hoe karama, eo no mendrika koa hametrahana rariny. Mifaninana hatrany moa andaniny ny karaman’ny vola mipetraka amin’ny fijorony sy ny fampiodinana ny orinasa ankilany ny karaman’ ny asa ahafahana mamokatra, ela ny fifandiran’ny roa tonta momban’ny rariny izay samy misarika ho azy. Mifampila moa ny roa tonta ka voaozina tsy maintsy ahita marimaritra iraisana. Voalaza fa miankina amin’ny toe-karena eo amin’ny firenena ny fetran’ny karama, noho izany indrindra angamba no tokony samy ahita rariny ny andaniny sy ny ankilany, ny rariny angamba tsy manana fetra samy hafa miankina amin’ny tarehy sy ny bika.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.