Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« PGE »: homen-danja ny kolontsaina

« PGE »: homen-danja ny kolontsaina

Anisany misongadina ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fanomezan-danja ny kolontsaina. Endrika maro no hahafahana manatanteraka izany raha ny voalaza ao anatin’ity « PGE » ity hatrany. Misy ny laharampahamehana amin’izy ireo. Anisan’izany ny fananganana mozea, fanarenana ireo harem-bakoka isan-karazany izay sady mirakitra tantara ihany koa. Tonga manokana ao anatiny ny fanarenana ny Lapan’i Manjakamiadana izay kendrena ho vita alohan’ny 26 jona 2020.

Tanjona amin’ity politika ankapoben’ny fanjakana eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina ity ny hanomezana lanja sy hasina indray azy io (kolontsaina) sy ny fomba amam-panao malagasy. Hametraka sy hanasongadina ilay mampiavaka ny kolontsaina malagasy amin’ny toerana tokony hisy azy. Ho fanatanterahana izany, hisy ny fananganana ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.