Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Folo taona ny « Pôetawebs »: «… Tsy tokony hamorona ny ziogany… ny poeta», hoy i Toetra Ràja

Folo taona ny « Pôetawebs »: «… Tsy tokony hamorona ny ziogany… ny poeta», hoy i Toetra Ràja

Feno 10 taona amin’ity 2019 ity ny tranonkala mpanandratra ny poeta sy ny poezia malagasy antsoina hoe « Pôetawebs ». Namosaka ny eritreriny i Toetra Ràja, poeta namorona azy io, ny amin’ny fahitany ny tanjaky ny tononkalo ankehitriny.

Gazety taratra (*) : Ahoana ny fahitanao ny firoborobon’ny tononkalo malagasy ankehitriny ?

Toetra Ràja (-) Tsy hay afenina tokoa ny firoboroboan’ny tononkalo malagasy izay taratra avy amin’ny fahalalahan’ny fampielezana tononkalo mitobaka eny amin’ny tambazotra sosialy. Tsy mahagaga koa raha mitombo isa ny fikambanana poeta sy mpanoratra, arakaraka ny fahamaroan’ireo mpampiely ny kantony. Azo lazaina ho manaram-po rahateo ny mpianoka tononkalo noho ireo sehatra arentirentin’ny petadrindrina ; saika ho indroa isan-kerinandro ny eto an-drenivohitra. Manginy fotsiny ny toeran’ny fandaharana mahakasika ny poezia amin’ny haino aman-jery izay amafisin’ireo lahatsoratra mivoaka an-gazety. Tsapa ho mihamatevina koa ny fianakaviam-ben’ny mpikaroka amin’ny fampianarana ambaratonga ambony. Efa mahazatra ny sofina aza ireo mpampiely tononkalo toloran’ny Fanjakana mari-boninahitra hitovy laharana amin’ireny mpanakanto ikohizana amin’ny hira sy mozika ireny. Santionany ihany ireo mba  hilazana ny tanjaky ny literatiora ankehitriny izay tsy maha-vahiny ny poeta.

* Toa miabo avokoa ny fomba famaritana atolotrao azy izany ?

– Hatreto, ny matoanteny manambara fahamaroana no nentina namaritana ny firoboroboana, saingy tsara raha jerena koa ny kalitao. Diam-penina ny tononkalo, araka ny famaritana natolotr’i AéRa na André Rakotondranaivo tao amin’ny Pôetawebs hoe : “ny poezia dia tsy natao hahafinaritra ny sofina fotsiny fa ny maso koa“. Ny tsapa anefa, mirona mankany amin’ny fanehoana am-bava ny tononkalon’ny ankehitriny. Sanatria mifaninana amin’ny lazan’ny hira, ny kabary, ny “karaoke” ary mety ho sanatria paradisan’ny fahadisoan-tsipelina. Tsy mampihontsina ny maro anefa izany fa vao mainka aza asandratra ny lazan’ilay mpanakanto. Be mpanaraka hatrany anefa ny tononkalo feno fahadisoan-tsipelina any amin’ny tambazotra sosialy ary tsy vitsy mpakafy eny an-tsehatra, hany ka mampanontany tena hoe ny mpankafy mihitsy ve no mamolavola toerana manokana ho an’ny tononkalo mba hiroboka any an-tsahan’ny literatiora am-bava? Ireny fampiasana ny “u” sy ny “w” ireny, ohatra, fanehoana an-tsoratra ny feo itiavana anononana azy am-bava. Tadidio anefa fa arofanin’ny teny malagasy ny poeta. Mbola ao anatin’izay olan’ny fanoratana izay koa ny fihazakazahana mampiasa voambolana vahiny eny an-tsefatsefan’ny tononkalo, noho ny tsy fahalalana ny dikany amin’ny teny malagasy na noho ny fitiavana manindrahindra ilay azo antsoina hoe “vary amin’akotry”.

* Mampanahy anao indray, angaha, ny hoavin’ny poeta izany ?

– Izao no voalazan-dRajemisa Raolison momba ny poeta : “… nisy sy misy ary mbola hisy betsaka ny poety malagasy”. Somary mahasadaikatra anefa izany manoloana ny mety ho fitobahana. Poeta avokoa ve rehefa mpampiely tononkalo na misora-tena ho izany? Fanontaniana miverimberina eo anivon’ny poeta malagasy izany mandritra ny karazana fifanakalozan-kevitra tsy voatery ho ahitana lalan-kivoahana, toy ny famaritana ny antsoina hoe “poeta” izay mampizarazara ny hevitry ny maro.

Tsy hitarozahana eto ny famaritana ny hevitry ny “tena” pôeta tian-dRajemisa Raolison asongadina fa andeha hobanjinina ny hoavin’ny ankizy vao mianatra teny malagasy mba tsy hanamarina ny fandikan-dalàna. Any amin’ny bokim-pianarana fitsipi-pitenenana frantsay toy ny Bled dia ahitana andalan-teny maro nosoratana poeta, fanao ohatra, ho fanamafisana ny fitsipi-panoratana. Malaza ho mpandrafitra “sora-kaliana” miavaka kalitao sy feno fanajana fitsipika mantsy, hono, ireny poeta ireny ! Ny olana, mety hanana ny lazany tokoa ny poeta mpandika tsipelina izay nateraky ny fitobahana ankehitriny. Ametrahan’ny olona fahatokisana ny tolotra aeliny. Etsy andaniny, tsy maintsy misy ireo mpamaky mahafolaka fitsipika ka tsy hino intsony ny hasin’ny poeta. Raha mpamorona tokoa izy ireo, tsy tokony hamorona ny ziogany sy ny an’ireo taranany.

* Inona ny hafatra azo apetraka amin’ireo poeta ireo ?

– Raha tiana ho mafy fototra ny hoavin’ny poeta, mila fanajariana ny kalitaon’ny teny ifandraisany amin’ny mpamaky. Izany izao no maika : adidin’ny poeta tsy hiandrasan’olona, tsy hiandrasana fitaovana… Fitaovana hoy ianao? Manana ny poeta : penina sy taratasy, sehatra sy tranonkala, tambazotra sosialy, toe-panahy malagasy… Antsika ny manohy azy!

Nitafa : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.