Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanapoizinana tany Ambato Boeny: naato tsy afa-miasa ilay mpikarakara sakafo

Fanapoizinana tany Ambato Boeny: naato tsy afa-miasa ilay mpikarakara sakafo

Dimy ireo ankizy mpianatry ny CEG Ambato Boeny mbola arahi-maso ao amin’ny CHDII ao Ambato Boeny ny fahasalamany taorian’ny fanapoizinana vokatry ny sakafo nohaniny tany am-pianarana nandritra ny fety fifampiarahabana noho ny taona vaovao, ny faran’ny herinandro lasa teo. 51 ireo mpianatra voapoizina ka iray namoy ny ainy, vokatr’izany. Mpikarakara sakafo tsy nahazo ny fahazoan-dalana hanao ny asa fampisakafoana avy amin’ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamana ao Boeny no natsoin’ny sekoly hanomana ny sakafo. Voasazy noho izany ilay mpikarakara sakafo ka tsy afaka nanohy ny asany intsony satria nitarika fahafatesana mihitsy.

Mbola nanentana ny sampandraharaha misahana ny fiahiana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (Acsqda) fa tokony ho mailo sy hitandro ny fenitra ara-pahasalamana hatrany ireo mpikarakara sakafo rehetra. Nampatsiahy ny tomponandraikitry ny sampandraharaha, Rakotovao Ravahatra Joely Nirina fa tokony hanana taratasy fahazoan-dalana avokoa ireo olona misehatra amin’ny fivarotana na fikarakarana sakafo masaka.

1 000 ireo mpikarakara sakafo efa voaofana momba ny fenitra sy ny fahadiovana amin’ny sakafo ara-pahasalamana iarovana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.