Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Zo sy hasina

Miainga any ny fikasana ny fanaovana fanitsiana ny lalàna mifehy ny tontolon’ny serasera. Lalàna izay nitarika fanoherana mahery vaika ary nahatonga korontana mihitsy aza nandritra sy taorian’ny fotoana nandinihana sy nandanian’ny parlementa an’ilay volavolan-dalàna. Nihodina ny lahatra. Olona anisan’ny nafana fo teo amin’ny fanoherana an’io lalàna io no minisitra miahy ny tontolon’ny serasera sy fanapariahana vaovao. Raha vao nandray ny toerany amin’izany izy dia nanambara fa anisan’ny raharaha hataony laharampahamehana ny fanitsiana an’io lalàna io. Maro ireo fitsipika nitovizan-kevitra momba ny teti-dratsy fonosiny (dispositions scélérates). Na izany aza mba ahatongavana amin’ny fisiana lalàna maharitra, mety ny fametrahana sehatra ahafahana miara-midinika sy mifanakalo hevitra mialoha ny fanaovana fanitsiana amin’ny ady koropaka.

Hevitra roa manan-kery mifanipaka no aravon’io lalàna io. Andaniny ny fanajana ny fahalalahan’ny olona tsirairay hanaposaka sy hilaza ny hevitra ao an-tsainy. Ankilany kosa ny fiarovana ny hasina amin’ny maha olombelona mba tsy ho voatohitohina tsy an-drariny noho ny fampiharana tsy misy fetra ny fahalalahana mikasika ny fanehoan-kevitra. Rehefa mipetraka izay fanazavana izay, miseho ny hevitra momba ny fahalalahana eo amin’ny sehatra fanaovan-gazety. Ny fahalalahana eo amin’izany moa dia antoka iray lehibe ho amin’ny falalahan’ny vahoaka mba ahafantarany ny zava-drehetra misy sy makasika ny fiarahamonina. Noho izany mendrika arovana manokana ny fanaovan-gazety. Isan’izany ny fiarovana ny mpanao gazety amin’ny fanenjehana azy anoloanan’ny fitsarana fanamelohana noho ny vaovao sy ny famoaboasana nambarany (dépénalisation). Tsy rariny kosa anefa ny fanomezana azy alàlana ahafahany manimbazimba ny hasin’ny olon-kafa amin’ny tsy rariny. Ohatra fotsiny ny fanompana olona eny an-dalambe na fampielezana lainga momba azy dia heloka afaka toriana ary mety hampiditra am-ponja, fa raha any amin’ny fandaharana an-gazety na any amin’ny haino aman-jery dia tsy ho voasazy arak’izay.

Marina aloha fa samy manana ny haja ny olona, indrindra moa fa ny olona ao anatin’ny laharana repoblikana. Noho ny fanajan’ny tena ny Repoblika dia hajaina arak’izay ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ohatra, raha mifanehatra amin’ny depiote na minisitra dia omena ny anjarany amin’izany izy, raha misy zavatra hafa dia omena mangina ny anjarany arak’izay koa izy. Tsy ny manamboninahitra irery anefa no manana haja mendrika ho tandrovina. Ny fanivaivana ampahibemaso sy ny fanosihosena ny hajan’ny maha olona tsy an-drariny dia tsy hita ho afenina ambadiky ny «délit de presse» fa na any amin’ny asa fanaovan-gazety aza dia mendrika avarina ho enjehina toy ny maha «délit de droit commun» azy.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.