Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MAEP: fahaleovantena ara-bary amin’ny taona 2020

MAEP: fahaleovantena ara-bary amin’ny taona 2020

 Tontosa, omaly ny famindram-pahefana indroa miantaona teo amin’ny minisitra vaovao, hisahana ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), Ranarivelo Lucien, sy ireo minisitra roa nodimbiasany, nitantana ny Fambolena sy ny fiompiana, Randriarimanana Harison, sy ny Jono, Andriamananoro Augustin. Tsiahivina fa natambatra ho iray ireo minisitera roa ireo, amin’izao fotoana izao.

Nohitsin’ny minisitra Ranarivelo Lucien, fa laharam-pahemehana ato anatin’ny fotoana fohy, ny famolavolana ny Fifanarahana drafitrasa hiarahany ao anatin’ny governemanta (contrat programme), sy  ny hanatrarana ny fahavitan-tena amin’ny famokaram-bary eto Madagasikara, amin’ny taona 2020. Nentaniny ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny mpiara-miasa aminy akaiky handray anjara bebe kokoa amin’ny fanatanterahana ireo sy ny tanjona hafa hofaritana rehetra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.