Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampanotokana Mahitsy: saron’ny zandary ny drakaka tsy manaraka fenitra

Ampanotokana Mahitsy: saron’ny zandary ny drakaka tsy manaraka fenitra

Tratran’ny zandary manao sakana etsy Ampanotokana Mahitsy, ny  asabotsy teo ny fiara miisa telo avy any Mahajanga sy Ambanja ary Antsohihy, nitondra  drakaka  (crabe) tsy manaraka ny fenitra.  Andrasana ny ho tohin’ny fanadihadiana momba  ity  raharaha  ity.

Tsy tokony ho azo hazaina ireo drakaka mirefy latsaky ny 11 santimetatra ireo ny habeny nefa izao nentina aty an-dRenivohitra izao. Voalohany  nandalo ilay ilay fiara  « Volkswagen Elter” miloko fotsy ary nosakanan’ny zandary. Nantsoina avy eo ny avy amin’ny Centre Surveillance de peche (CSP), saingy tsy nisy ny fisavana natao  fa hatao any amin’ny toerana  hivantanan’ireo drakaka ao amin’ny orinasa iray izany. Voalaza anefa fa nanaraka ny fenitra  ny entana. Nandalo koa ny fiara faharoa  sy fahatelo ary  nahitana sobika maromaro nisy  drakaka latsaky ny 11 santimetatra ny refiny.

Hatreto, tsy nahazoana vaovao ny  teo anivon’ny CSP manoloana ireo drakaka voalaza ho tsy manaraka ny  fenitra ireo. Tsy mazava  na nisy na tsia ny fanagiazana ireo drakaka tsy ampy refy.

Tsiahivina fa manenjika fifanarahana ireo mpandraharaha vitsivitsy nahazo  tombony manokana afaka manondrana an’itony hazan-dranomasina drakaka itony amin’izao fotoana izao. Mitombo ny tinady  avy amin’ny mpanjifa any amin’ny firenena any ivelany any.

Fanaovana ampihimamba ny fanondranana

Etsy andaniny,  miisa dimy ireo mpandraharaha manao ampihimamba ny fanondranana drakaka ireo  eto amintsika raha miisa 11 ireo nomen’ny fanjakana fahazoan-dalana afaka manao izany. Manao ny tiany atao ireto mpandraharaha nahazo tombony manokana ireto ary mifehy tanteraka izany  seha-pihariana izany. Velon-taraina ny mpanjono satria tsy mihoatra 7 000 Ar ny kilao hividianan’izy ireo izany. Tafakatra hatrany amin’ny 16  000  Ar anefa izany teo  aloha fony afaka nanondrana daholo ny mpandraharaha rehetra. Araka izany,  ahina ho lany tamingana tanteraka koa ireo drakaka ireo amin’ity fanondranana tsy manaraka ny fenitra ity.

Randria 

 

Les commentaires sont fermées.