Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alaotra: tsy mividy makalioka ny mpanangom-bokatra

Alaotra: tsy mividy makalioka ny mpanangom-bokatra

Sanganehana ny mpamoka-bary any Alaotra amin’izao fotoana izao. Tsy misy mandray ny vary akotry Makalioka !  Ny vary Dista ihany no raisin’ireo mpanangom-bokatra rehetra. “ “Ampahany kely hamenoana fiara sisa no raisin-dry zareo,  raha mividy karazam-bary hafa , toy ny Makalioka no mbola ambany ny vidiny”, hoy ny tarainan’ireo mivelona amin’ny famokaram-bary sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy nisamboram-bola, any amin’iny faritra lazaina  sompitra voalohan’ny firenena.

Marihina fa 30 ka hatramin’ny 40 ireo fiara vaventy feno vary akotry no mandoa tamberim-bidy, araka ny filazan’ireo mpiambina eny amin’ny sakana fitakiana izany. Betsaka ny fanazavana, fa ny be mpiresaka indrindra ny hoe ny Amerikanina, hono, no tena mila io karazam-bary Dista io. Sahy mividy lafo ry zareo mpanangona. Izany no mahatonga izao toe-javatra izao. Tsorina anefa fa ny Makalioka ihany no mbola mety amin’ny mpamboly any an-tsihanaka na misy ny Dista sy ny karazam-bary hafa, toy vary Bota, ohatra.

Fatiantoka hafa, mbola midina indray ny vidin’ny Makalioka andraisan’ny mpanangom-bokatra ny varin’ny tantsaha. ”Efa tafakatra 1 100 Ar ny kg teo, izao lasa midina 1 080 Ar indray”, hoy ireo tantsaha. Fotoana hanokafana ireo tahirim-bokatra niandrasana ny vidin’akotry mba ho ambony anefa izao, saingy vao mainka ambany vidy amin’izao.  Sahirana ireo mpamboly mamerina ny vola nosamborina tao amin’ny Cecam, Otiv, Microcred, sns.

 

Rarivo

Les commentaires sont fermées.