Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vinan’ny 2019: hanangana foibe ho an’ny zavakanto ry Saroy R.

Vinan’ny 2019: hanangana foibe ho an’ny zavakanto ry Saroy R.

Maro ny mpanakanto malagasy manam-pitiavana sy fahavononana hoenti-mampandroso ny sehatra misy azy. Anisan’izany i Saroy Rakotosolofo, mpanao soradihy, mpitarika ny kaompania Zarasoa sady mpampianatra dihy, ao amin’ny Cercle germano-malagasy (CGM). Ao anatin’ny vinany, amin’ity taona vaovao ity, ny hanangana foibe iray, ahitana toeram-pampiofanana sy efitrano fanaovana fampisehoana.

Efa vonona ny tany hanorenana izany, araka ny nambarany, raha toa ka ny firosoana amin’ny fananganana ny trano no mbola asa goavana, izay ilàna ny fiaraha-mientan’ny rehetra, ireo mahatsapa ny hasarobidin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, eto Madagasikara.
Tanjona lavitra ezaka io fa mahakasika ny fandaharam-potoan’i Saroy Rakotosolofo, amin’ny ankapobeny kosa, hatevenina ny fampianarana dihy sy ny fampandraisana anjara ireo ankizy mpianatra amin’ny fisehoana sehatra. « Tsy hijanona amin’ny fampianarana ireo fototra ny fandaharam-pianarana fa hirona kokoa amin’ny famohazana ny fahaiza-mamorona ao amin’ny ankizy tsirairay. Izany hoe, asaina mamorona mihitsy izy », hoy ity mpanao soradihy ity.

Marihina fa, ankoatra ny ao amin’ny CGM etsy Analakely, miara-miasa amin’ny sekoly samihafa ry Saroy ka mizara ny traikefany amin’ireo mpianatra. Hiainga amin’ny lohahevitra hoe « Sakafon-dihy » ny famoronana amin’ireo fampianarana samihafa ireo.

Mikasika ny kaompania Zarasoa manokana, ho maromaro kokoa ny fisehoany an-tsehatra, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fandraisana anjara amina « festivals », eto an-toerana sy any ivelany. Ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny kaompania ny hanolotra seho iray lehibe, eto an-dRenivohitra. Toy ny isan-taona, manomana soradihy voavao ny Zarasoa, haseho amin’ireo hetsika samihafa ireo.

Ao anatin’ny fandaharam-potoan-dry Saroy Rakotosolofo ihany koa ny hampiantrano mpanao soradihy, avy atsy amin’ny Nosy Maorisy. Hitondra ny karazan-dihy atao hoe « Khatak » izy ireo ary hizara izany amin’ny mpandihy eto an-toerana.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.