Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: lasa nifindra atsy La Réunion i Boura

Kitra: lasa nifindra atsy La Réunion i Boura

Fantatra izao fa lasa nifindra atsy La Réunion, i Jaotombo Bourahim (Boura), mpilalaon’ny Cnaps Sport. Araka ny fantatra, ho ao amin’ny US Ste Marienne, no hilalaovany, amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity. Raha tsiahivina, tontosa ny alatsinainy lasa teo, ny fifanaovan-tsonia, teo amin’ity mpilalaon’ny Cnaps Sport Itasy ity sy ny ekipan’ny USSM. Herintaona azo avaozina ny faharetan’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Tsy fantatra kosa ny tentim-bidin’izao fifindran-toeran’i Boura, ho any amin’ny Ste Marie, izao.

27 taona ny tovolahy ankehitriny, mirefy 1, 72 m ary milanja 69 kg. In-12 izy no efa nisalotra ny akanjoban’ny Barea de Madagascar. Maro ireo fihaonana iraisam-pirenena efa natrehiny, na tao amin’ny Cnaps Sport, nilalaovany teo aloha, na ny niarahany tamin’ny Barea de Madagascar.

Anisan’ny lalao goavana natrehiny, ny nikatrohan’ny Barea de Madagascar, tamin’ny RD Congo, ny 5 jona 2016. Hiaraka hilalao amin’i Ando (Pro), zandrin’i Bolida, sy i Gladyson ary i Fabrice, izay samy manana ny lazany sy ny toerany ihany koa amin’izao fotoana izao, atsy La Réunion, izany i Boura.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.